FIRONTSAHAN-KO FIDIANA HO BEN’NY TANANA SY FILAN-KEVITRA NY 11 DESAMBRA 2024

Service, Bureau, Lieu
CENI MADAGASCAR Eny amin'ny Biraon'ny Vaomiera misahana ny fifidianana eny anivon'ny distrika (CED) misy anaoOVEC (CED). Andinindininy : www.ceni-madagascar.mg. Ho an'ireo kandida, ity ny rohy ahitana ireo didim-panjakana misy ny lisitry ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiana sy ny tsara ho fantatra rehetra : https://www.ceni-madagascar.mg/decrets-pour- les.../


Fizotrany
****

Antontan-taratasy ilaina
(atao dika mitovy 4)
  • Ho an'ny lisitry ny mpilatsaka hofidiana :
  • - Fanambarana iombonana ho an'ny filantsahana ho fidiana;
  • - Tapakila nohamafisin'ny fanamarinana voasonia n'ny tomponandraikytry ny tahiry fametraham-bola sy fiampandraiketana manamarina ny fametrahana ny fandraisana anjara ;
  • - Santionany modely mirakitra ny toetoetra mamapiavaka apetraka eo amin'ny taratasin-datsabato tokana vita amin'ny akalana elekitronika ;
  • - Fanambarana marina amin'ny fanekena fa hanaja ny fepetra manan-kery momba ny fampielezan- kevitra indrindra ny mahakasika ny fangaraharana, ny ady amin'ny famotsiam-bola sy ny ady atao amin'ny kolikoly.
  • Ho an'ny mpilatsaka hofidiana tsirairay anaty lisitra:
  • - Fanambarana filatsahana hofidiana atao sy soniavin'ny tena manokana,voamarina ara-panjakana ;
  • - Kopia manontolo sy sora-pahaterahana na ny taratasy milaza momba ny fahaterahana na dika mitovy voamarina ny kara-panondrom-pirenena;
  • - Taratasy fanamarinana ny mahateratany malagasy latsatky ny enim-bolana;
  • - Taratasy fitanisan-tsazy laharana faha 3 avy amin'ny fampanaovana lalàna mahefa;
  • - Dika mitovy ny kara-pifidianana na taratasy fanamarinana ny maha voasoratra ao amin'ny lisi- pifidianana ;
  • - Fanambarana tsy misy fitaka ataon'ny mpilatsaka hofidiana izay milaza fa izy dia mahaloaara-dalàna ireo hetra sy haba isan-karazany izay fitaky nandritra ny telo taona farany iray;
  • - Taratsy fanamarinana avy amin'ny sampan-draharaham-panjakana momba ny hetra mikasika ny maha ara-dalàna ny kandidà ara-ketra;
  • - Fanambarana tsy misy fitaka ny fitanisa ny fananana sy ny zo sy adidy ara-bolan'ny mpilatsaka hofidiana ary koa ny harenany sy ny karazan'ny fidiram-bolany.

Sarany
  • Commune Urbaine hors catégorie:20 000 000 ariary
  • Commune Urbaine 1ère catégorie: 15 000 000 ariary
  • Commune Urbaine 2ème catégorie:
  • * 19 Conseillers Municipaux: 5 000 000 ariary
  • * 15 Conseillers Municipaux: 4 000 000 ariary
  • * 13 Conseillers Municipaux: 3 500 000 ariary
  • * 11 Conseillers Municipaux: 3 000 000 ariary
  • * 09Conseillers Municipaux: 2 400 000 ariary
  • Commune Rurale:
  • * 07 conseillers municipaux: 1 700 000 ariary
  • * 05 conseillers municipaux: 1 200 000 ariary.
  • Fandoavana ny vola: eny amin'ny Recette générale d'Antananarivo

Faharetan'ny fahatontosana
  • Daty fametrahana dossiers: Alatsinainy 05 septambra 2024 amin'ny 9 ora maraina hatramin'ny Alahady 15 septambra amin'ny 5 ora hariva
  • Datin'ny fampielezan-kevitra: talata 19 Novambra 2024 amin'ny 6 ora maraina hatramin'ny 09 Desambra 2024 amin'ny misasak'alina