IVOTORO dia manoro ny olom-pirenena ny momba ny dingana arahina raha toa ka hikarakara taratasim-panjakana ny olona iray. Manome torolalana amin’ny toerana tokony haleha, ny sarany tokony haloa sy ny fe-potoana amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana.
Raha tsy mifanaraka amin'ny eny an-toerana ny torolalana voarainao avy aty amin’ny IVOTORO, dia aza misalasala mamerina miantso ny 640, na mandefa hafatra amin’ny mailaka.