Vaovao

Ivotoro : nahazo ny « Prix de l’innovation dans la fonction publique »

Voafantina ho anisan’ny sampan-draharaha sy fandaharanasa nitondra zava-baovao teo amin’ny tontolon’ny asam-panjakana eto Madagasikara ny Ivotoro na ny Ivon’ny torohay, natsangan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Nanampy tamin’ny fanatrarana ny tanjona «fanjakana manakaiky vahoaka, fanjakana tsara tantana iadiana amin’ny kolikoly, fampisitrahana ny zo hahazo torohay ho an’ny olom-pirenena tsy an-kanavaka» ity rafitra ity. Izany no nanomezan’ny minisiteran’ny Asa, ny Fampanana asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy sy ny Vondrona Afrikanina eto Madagasikara loka fankasitrahana « Prix de l’innovation dans la fonction publique », ho an’ny Ivotoro, izay natolotra ny zoma 24 jona 2022 tao anatin’ny fanamarihana ny andro afrikanina ho an’ny asam-panjakana.

Hatramin’ny nisokafan’ny Ivotoro, antso an-tariby tokana dia voavaha ny olana nanahirana, nandany fotoana, ary nanome vahana ny kolikoky ho an’ny olom-pirenena mikarakara raharaha amin’ny biraom-panjakana, hoy ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Nahatratra 100 000 latsaka kely ny antso voarain’ny Ivotoro nanomboka ny volana novambra 2020 nijoroany. Manodidina ny 400 hatramin’ny 600 isanandro izany, araka ny tatitra voaray. Raharaham-panjakana manodidina ny 7 eo ho eo no be mpanontany indrindra. Anisan’izany ny fananan-tany. Voavaha avokoa ny olan’ny 70 % ny mpiantso, hoy ny talen’ny Ivotoro.

Marihina fa “Call Center” miankina amin’ny fanjakana ny Ivotoro, na ny Ivon’ny torohay. Ny hanampy

sy hanoro ny olom-pirenena amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana no tena antom-pisiany. Ny laharana tokana « 640 » no ahafahana miantso azy. Fantatra amin’ny alalan’izany ny karazana antontan-taratasy ilaina amin’ny sampan-draharaha tian’ny olom-pirenena iray haleha, ny varavarana idirana, ny sarany tokony haloa, ary ny faharetan’ny fikarakarana izany. Natao hampihenana ny fifampikasokasohana mba hiadiana amin’ny kolikoly any anaty raharaham-panjakana koa izany. 35 mianadahy nomandrafitra ny ekipa mampihodina ny Ivotoro, izay fitaleavana iray ao anatin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Ankoatra izay, hisokatra tsy ho ela koa ny tranonkalan’ny Ivotoro, izay niaraha-niasa tamin’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI). Miroso amin’ny fanitarana ny Ivotoro makany amin’ny faritra koa ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ankehitriny. Faritra fito no hanombohana izany.