Certificat de nationalité

Institution, Ministère
Ministeran’ny Fitsaràna

Service, Bureau, Lieu
Porte 108 - 1er étage, Tribunal de première instance Antananarivo.


Fizotrany
  • Ho an'ny vahiny mizaka ny zom-pirenena malagasy, mila mitondra ireo taratasy voalaza etsy ambany sy ny Journal Officiel de la République de Madagascar (J. O. R .M) manambara ny fahazoany ny zom-pirenena Malagasy
  • Raha misy fanamarihina mihoatra ilaina atao, tsara raha mametraka ny antontan-taratasiny eo anivon'ny service de Nationalité du Ministère de la Justice à Faravohitra (Direction des Affaires Judiciaires), porte A5 ny mpangataka. Io Sampana voalaza io no mandefa bordereau d’envoi ao amin'ny Président du Tribunal de Première Instance d’Antananarivo. Ilay bordereau dia manamarina ny fanomezana ny certificat de nationalité malgache amin'ny anaran'ny mpangataka, na ny fandavana izany
  • Mety hiseho hoe tsy ampy hanamarinana ny fiaviana malagasin'ny mpangataka ireo taratasy voatonona ireo, ka noho izany mety hangataka kopia naterahana sy taratasy fanambarana fahafatesana maro mba hanamporofoana fa malagasy fiaviana ny mpangataka.

Antontan-taratasy ilaina
1) Raha teraka talohan'ny 26 Jona 1960 :
  • Taratasy fangatahana miantefa amin'ny Président du Tribunal de Première Instance d’Antananarivo
  • Kopia lava nahaterahan'ny mpangataka
  • Fanamarinana toeram-ponenana.
2) Raha teraka tao aorian'ny 26 Jona 1960 :
  • Taratasy fangatahana miantefa amin'ny Président du Tribunal de Première Instance d’Antananarivo
  • Kopia lava nahaterahan'ny mpangataka
  • Dika lasitry ny pejy voalohan'ny bokim-pianakaviana na dika lasitry ny fisoratam-panambadian'ny ray aman-drenin'ny mpangataka, raha nisoratra ara-panjakana ireo
  • Raha tsy nisoratra ara-panjakana ny ray aman-dreny, dia tokony manome kopia lava nahaterahan'ny reny na ny rainy ilay mpangataka (izay mampiseho fa malagasy tokoa izy) ary raha efa maty ireo, dia ny taratasy fanambarana fahafatesana no ilaina ;
  • Taratasy fanamarinana fonenana.

Sarany
  • 2 000 Ar (raha malagasy avokoa ny ray aman-dreny)
  • 10 000 Ar (raha misy tsy malagasy ny ray aman-dreny)

Faharetan'ny fahatontosana
  • 3 andro