Karatra fahazoana mitondra fiarakodia iraisam-pirenena

Service, Bureau, Lieu
Varavarana 402, Ministère de l’Intérieur et de la Décentralisation


Fizotrany
  • Fametrahana antotan-taratasy ao amin'ny birao fandraisana taratasin'ny MID
  • Fanaraha-maso tsy tapaka ny dossier.

Antontan-taratasy ilaina
  • Eo anivon'ny Ministera misahana ny atitany: Fangatahana miantefa amin'ny Ministre chargé de l’Intérieur manamarina ny antony, ny toerana, ary ny faharetan'ny dia ;
  • Dika lasitra voamarina karatra fahazoana mitondra fiarakodia
  • Dika lasitry ny pasipaoro voamarina fa mifanaraka amin'ny pasipaoro ary visa ;
  • Diaka lasitra mifanaraka fa mitovy ny fanamarinan-toerana ao anatin'ny fiaramanidina mandroso sy miverina.
Eo anivon'ny Automobile Club de Madagascar :
  • Fahazoan-dalana ho an'ny famadihana nomen'ny Ministère en charge de l’Intérieur ;
  • Dika lasitra voamarina karatra fahazoana mitondra fiarakodia malagasy ;
  • Sary tapaka 03 ;
  • Sarany 100 000 Ar.

Sarany
  • MID : GRATUIT ;
  • ACM : 100 000 Ar.

Faharetan'ny fahatontosana
  • 72 ora