Ny Momba ny IVOTORO ?

“FANJAKANA MANAKAIKY VAHOAKA”

Fampahafantarana ny IVOTORO

Nambaran’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa Andry RAJOELINA tamin’ny alalan’ny tondrozotran’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra fa ny governemanta dia tsy maintsy mampihena ny elanelana misy amin’ireo vahoaka fa ambonin’ny zava-drehetra dia ny manome ny vaovao ho azy ireo.

Mba ho fanatanterahana ny “VELIRANO fahatelo”n’ny fiohan’ny Repoblika dia ny “Ady amin’ny kolikoly”,ary indrindra ho fonomezan-danja ny zo amin’ny fisitrahana vaovao ho an’ny olom-pirenena tsy an-kanavaka, ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia namorona ny “Centre d’Informations Administratives et d’orientation” na ny Ivon’ny Torohay (antsoina hoe IVOTORO) mba ho hanomezana toro-lalàna ny olom-pirenena amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana. 

Ny IVOTORO, izay nosokafan’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny fomba ofisialy, ny 26 novambra 2020 dia ivo-toerana ahafahan’ny olom-pirenena rehetra misikatra toro-lalàna amin’ny fikarakarana taratsim-panjakana. 

Ny andraikitry ny IVOTORO: 

  • Manangona ny rakinkevitra sy ny vaovao rehetra eny anivon’ny andrim-panjakana sy ny Ministera
  • Manoro hevitra sy manoro lalana ny vahoaka amin’ny toerana tokony halehany, ny antotan-taratasy rehetra ilainy, ny sarany tokony halohany ary ny fe-potoana fikarakarana izany
  • Mampita kosa ny fitarainana voaray rehetra any amin’ny andrim-panjakana voakasika
  • Mampihena ny elanelana misy eo amin’ny andrim-panjakana sy ny olom-pirenena amin’ny alalan’ny fihainoana ny fitarainan’ny olom-pirenena sy fanomezana torohay na toro-lalàna amin’ny fikarakarana taratasy eny anivon’ny biraom-panjakana