Ny Momba ny IVOTORO ?

“FANJAKANA MANAKAIKY VAHOAKA”

Fampahafantarana ny IVOTORO

Ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia namorona ny “Centre d’Informations Administratives et d’orientation” na ny Ivon’ny Torohay (antsoina hoe IVOTORO) mba ho hanomezana toro-lalàna ny olom-pirenena amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana. 

Ny IVOTORO, izay nisokatra ny 26 novambra 2020, dia ivo-toerana ahafahan’ny olom-pirenena rehetra misikatra toro-lalàna amin’ny fikarakarana taratsim-panjakana. 

Ny andraikitry ny IVOTORO: 

  • Manangona ny rakinkevitra sy ny vaovao rehetra eny anivon’ny andrim-panjakana sy ny Ministera
  • Manoro hevitra sy manoro lalana ny vahoaka amin’ny toerana tokony halehany, ny antotan-taratasy rehetra ilainy, ny sarany tokony halohany ary ny fe-potoana fikarakarana izany
  • Mampita kosa ny fitarainana voaray rehetra any amin’ny andrim-panjakana voakasika
  • Mampihena ny elanelana misy eo amin’ny andrim-panjakana sy ny olom-pirenena amin’ny alalan’ny fihainoana ny fitarainan’ny olom-pirenena sy fanomezana torohay na toro-lalàna amin’ny fikarakarana taratasy eny anivon’ny biraom-panjakana